<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>227</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Eto afovoanay Hianao,
 ry Tompo soa,
 Ka tahio ny vavakay
 Mba ho maminao tokoa ;
 Raisonao ny fideranay,
 Ka savao ny fahantranay.

[V2]
 Mitoera aminay
 Na hariva na maraina ;
 Aza mahafoy anay
 Mandra-pialanay aina ;
 Ka ny dera tsy ho lany
 Dia ho Anao ihany.</lyrics>
<title>Eto afovoanay FFPM227</title>
<author>J.R. Ahle</author>
</song>